Job 15

Ny teny fanindroany nataon’ i Elifaza

1Dia namaly Elifaza Temanita ka nanao hoe: 2Tokony handahatra hevi-dravina va ny olon-kendry, ka hameno ny kibony amin’ ny rivotra avy any atsinanana va, 3Ary hamaly amin’ ny teny tsy mahasoa sy ny teny tsy mahatsara? 4Eny, foananao ny fahatahorana an’ Andriamanitra, ary tampenanao
Na: hamavoinao.
ny fivavahana eo anatrehany;
5Fa ny helokao no manesika ny vavanao, ary mianatra ny lelan’ ny fetsy ianao
Na: Tsy maneho ny helokao va ny vavanao, Na dia mianatra ny lelan’ ny fetsy aza ianao?
.
6Ny vavanao ihany no manameloka anao, fa tsy izaho; Ary ny molotrao ihany no mamely anao. 7Hianao va no voalohany izay nateraka ho olombelona? Na naloaky ny kibo talohan’ ny tendrombohitra va ianao? 8Isan’ ny mpihevitra teo amin’ Andriamanitra va ianao, ka voarombakao ho anao irery ny fahendrena? 9Inona no fantatrao, ka tsy mba fantatray koa, na saina azonao, ka tsy ato aminay koa? 10Ny anti-panahy sy ny fotsy volo dia misy ato aminay, eny, olona ela niainana noho ny rainao aza. 11Ataonao ho tsinontsinona va ny fampiononana avy amin’ Andriamanitra sy ny teny natao aminao amin’ ny fahalemem-panahy? 12Nahoana no dia entin’ ny fonao ianao? Ary nahoana no mipipy foana ny masonao, 13Ka miefonefona amin’ Andriamanitra ianao, sady miteniteny foana ny vavanao? 14Inona ny zanak’ olombelona no mba hadio izy? Ary izay tera-behivavy no mba ho marina? 15Indro, ireo anjeliny
Heb masìna.
aza tsy mahatoky Azy, ary ny lanitra aza tsy madio eo imasony;
16Koa mainka fa izay vetaveta sy tena ratsy, dia ny olona izay misotro heloka toa rano! 17Hanambara aminao aho, ka mihainoa ahy fa izay efa hitako no holazaiko, 18Dia zavatra notorin’ ny olon-kendry, fa tsy nafeniny, dia izay azony avy tamin’ ny razany; 19Ireny ihany no nomena ny tany, ary tsy nisy olona hafa firenena nisisika teo aminy. 20Ny ratsy fanahy mijalijaly amin’ ny androny rehetra, dia amin’ ny taona rehetra voatendry ho an’ ny lozabe. 21Feo mampitahotra no ren’ ny sofiny; Ary na dia miadana aza izy, dia avy hamely azy ihany ny mpandroba. 22Tsy manantena ho afaka amin’ ny maizina izy; Andrasan’ ny sabatra izy. 23Mirenireny hitady izay hohaniny izy ka manao hoe: Aiza re? Fantany fa antomotra azy ny andro maizina. 24Fahoriana sy fahaporitana
Na: Alahelo sy ahiahy.
no mampitahotra azy; Mandresy azy ireo tahaka ny mpanjaka efa vonona ho amin’ ny ady,
25Satria naninjitra ny tanany hanohitra an’ Andriamanitra izy Ary nirehareha hanohitra ny Tsitoha. 26Mimaona amin’ ny fahamafian-katoka hamely Azy izy, dia amin’ ny foitran’ ampingany matevina, 27Satria efa matavitavy tarehy izy, ary mivalon-kotraka ny valahany; 28Ary monina ao an-tanana rava izy, dia ao an-trano tokony tsy hitoeran’ olona, izay efa voatendry ho korontam-bato. 29Tsy hanan-karena izy, sady tsy haharitra ny heriny, ka tsy ho vokatra
Heb hilonjehitra amin’ ny tany toy ny vary efa vokatra.
ambonin’ ny tany ny fananany.
30Tsy ho afaka amin’ ny maizina izy; ny solofony hikainkona azon’ ny lelafo; ho levon’ ny fofonain’ Andriamanitra izy. 31Aoka tsy ho voafitaka hatoky zava-poana izy; fa zava-poana no ho valiny homena azy. 32Raha mbola tsy tonga aza ny androny, dia manjo azy izany, ary tsy ho maitso ny sampany. 33Ho tahaka ny voaloboka manintsana ny voany manta izy ary ho tahaka ny hazo oliva mampiraraka ny voniny. 34Fa tsy ho vanona ny ankohonan’ ny mpihatsaravelatsihy
Na: ratsy fanahy.
, ary ho lanin’ ny afo ny tranon’ ny mpitoroka.
35Torontoronina fampahoriana izy ka miteraka fandozana, ary ny kibony mamorom-pitaka.
Copyright information for Mg1865